logo-crop
Governemanta Eken’Ny rehetra hIantoka sy hItondra Ezaka Sesehena ho an’ny amin’ny fIfidianana mangarahara. GENIIES.

Date

Hanafoanana hampiato ny Lalampanorenana sy ny Andrim-panjakana ve ny Geniies ?

Tsia, ny mifanohitra amin’izay aza. Satria tsy maintsy hanova Lalàna maromaro, indrindra ny Lalàm-pifidianana ny Geniies, dia mila ny Solombavambahoaka (SBB) sy ny Loholona, hanao izany. Ny fandrafetana ny lisi-pifidianana, ny fanaraha-maso ny fizotry ny latsa-bato sy ny fanisam-bato dia hilàna ny ratsamangaikan’ireo sampandraharaham-panjakana isan-karazany.

Tsy hitondra na hampandany Lalam-panorenana vaovao tsy akory koa, anjaran’ny Fitondrana vokatry ny fifidianana eo no manao Izany.

 

Fifidianana inona ary no ho atao ?

Iaraha-miaiky fa ny fakan-tahaka ny Lalàmpifidianana avy any am-pita, ny safidy ana olona iray indroa miantoana (scrutin uninominal majoritaire à deux tours) izany, dia niteraka fisavorovoroana taloha, nandritra ary indrindra taorian’ny fifidianana.  Nifantoka loatra tamin’olon-tokana ny safidy hany ka nantenaina ho mesia izy, nanangonany Fahefana sy ny Enti-manana tsy nifanaraka loatra tamin’ny Lalàna velona, ary nanao an-kilabao ny Andrim-panjakana sy ny Olom-boafidy hafa. Tsy tanteraka arak’izay koa ny fitsinjaram-pahefana sy ny fandrosoana mirindra isam-paritra.

Noho izany, hanavao ny Lalàm-pifidianana ny Geniies ka Fifidianana roa samihafa saingy mifamatotra (élections liées) no ho apetraka. Ho tanterahana miaraka ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika sy ny Solombavambahoaka, ka izay milatsaka ho Filoha dia tsy maintsy mahafeno lisitra misy ny olona hilatsaka ho Solombavambahoaka (SBB).

Hifameno ny Hasina (légitimité)ifaharan’ireo Andrimpanjakana roa ireo, ka tsy hisalasala hampiasa ny Fahefana omen’ny Lalampanorenana azy intsony ny SBB. Hiaraka hampiatra ny vinam-piarahamonina izy ireo ary samy tompon’antoka manoloana ny vahoaka satria efa voafatotra ny fotoam-piasan’izy ireo miaraka.

 

Inona no Enti-manana ampiasain’ny Geniies ?

Hisy Tetibola ho raketina anaty Lalàmpamatsiam-bola. Misy ny fidiram-bola manokan’ny Fanjakana Malagasy, famatsiana hametrahana ny rafitra vaovao sy hafahana mampiodina ny fitondram-panjakana ary kitapom-bola  (Basket Fund) avy any amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ho an’ny fifidianana.

Hanao tatitra matetika manoloana ny Andrim-panjakana isan-tsokajiny ary amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny haino aman-jery mikasika ny fandaniana ny Geniies.

 

Olona Iza no handrafitra ny Geniies ?

Na tsara sy lavorary indrindra aza ny Lalàna ho apetraka sy ny Andrim-panjakana ho ajoro, rehefa tsy olona mampihatra azy no sady tsy mitsinjo ny tombontsoam-Pirenena sy ny Fiaraha-monina, dia tsy misy hafa tsy voka-dratsy no aterany.

Tsy misy solontenan’antoko ny ao amin’ny Geniies, na olona tompon’antoka na mpiasa amin’orinasa manana tsenam-panjakana ihany koa. Tsy misy mahazo milatsaka amin’ireo Fifidianana omaniny ny mpikambana ao amin’ny GENIIES. Manao fanambaram-panana alohan’ny idirany ary amin’ny fialàny.

 

Fehiny : tsy tetezamita toy ny nisy teo aloha ny Geniies. Ho atao ohatra amin’ny fitondran-tenany sy ny asany ny olona mandrafitra azy ka hamerina ny hasin’ny asa Fitondrana Firenena, hahatonga ny olompirenena hahatoky indray ny Mpitondra sy ny Fanjakana ka hamporisika azy ireo hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana sy handatsa-bato amin’ny fifidianana ho tanterahana miaraka amin’ilay rafitra vaovao, izay misy mangarahara, afaka atokisana ary ho eken’ny rehetra.

Sanatria tsy ho “tetezamihitatra” akory koa ny Geniies, ary manana anton’asa mazava.

S’abonner
Notification pour
guest
1 Commentaire
Le plus ancien
Le plus récent
Commentaires en ligne
Afficher tous les commentaires
Rasendra
10 mois il y a

Misaotra indrindra anao misafidy ny tenindrazana amosahana ny hevitra. Maka fotoana kokoa angamba ny famakiana izay voasoratra fa maharitra am-bava ho tsakotsakoina.

Plus
d'articles