logo-crop
Geniies tsy azo iodivirana

Date

 

Ny zava-nitranga tato ho ato dia manamarina andro aman’alina ny filàna ny GENIIES.

Mihahenjana ny tady amin’ny Fitondrana sy ireo efa nitonontena fa hifaninana amin’ny filoha am-perinasa. Ny andaniny mikiry mafy miteny faritra, manao fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana. Ny andaniny kosa mampiasa ny mpitandro  filaminana handrara na ny hetsika na ny diabe mialoha izany.  Ireto voalohany milaza fa voatohantohana ny zon’izy ireo haneho hevitra. Ny Fitondrana kosa manararaotra ny toerany miseho ho misoroka korontana. Ary ny hita dia efa tsy lavitra ny fifandonana misy herisetra, satria efa Solombavambahoaka no mikasi-tanana miaramila.

Nampisavirovoro sy nampametra-panontaniana ny maro ny fanondranana harem-pirenana mihoapampana, ka mampiahiahy ny amin’ny mety fanadinana azy ireny na ho an’olon-tsotra na ho vatsy ho an’olon-tokana hanomany Fifidianana.

Misy Antoko politika vitsivitsy efa manan-tantara , manan-traikefa nivondrona namoaka fehin-kevitra manondro molotra sy mitsipika ny fepetra noraisin’ny Fitondrana mikasika ny fanomanana n’y Fifidianana. Ny sasantsasany tamin’ireo Antoko ireo dia niezaka sy nihevitra fa hahavita hanaramaso ny fanavaozana ny lisi-pifidianana sy hampilefitra ny Fanjakana sy ny CENI. Ankehitriny,  lany aiky tanteraka izy ireo. Efa nisy tompon’andraikitra na avy amina antoko na vondrona politika efa mivohy ary manentana ny maro hanohana ny fametrahana ny GENIIES ho vahaolana hitondra tombontsoa ho an’ny rehetra tsy an-kanavaka, ho an’ny Firenena ary indrindra hisorohana kirizy na aloha na aorian’ny fifidianana.

Tsy hanao fahagagana akory ny GENIIES, saingy milaza am-panetren-tena fa :

  • Afaka ny hiantsoroka ny andraikitry ny mpanomana Fifidianana tsy mitanila. Ny mpikambana ao aminy tsy mpiray antoka amin’ireo mpifaninana sady tsy hilatsaka ho fidiana rahateo. Ho saro-piaro amin’ny fampiasana na Fahefana na fananam-Panjakana amin’ny fampielezan-kevitra, latsa-bato ary fanisana vato.
  • Handrafitra ny lisi-pifidianana vaovao miainga amin’ny fanavaozana ny firaketana ny sata sivily sy fanisana ny mponina, isorohana ny hosoka sy ny hala-bato.
  • Hanao volavolan-dalàna mikasika ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra, ny fahamarinan’ny vola sy fitaovana ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra mba tsy hisian’ny famotsiam-bola hamatotra ny Tanindrazana rahatrizay.
  • Hanara-maso sy Haka ireo fitaovam-piadiana an-tanan’olona na antokon’olona tsy manana alalana mba analavirana ny korontana na sanatria ady an-trano.
  • Hamolavola Lalàna manova tanteraka ny Fifidianana mba tsy hiandrandra Mesia intsony fa handatsa-bato kosa ho an’ny tarika iray misy Filoha sy lisitra Solombavambahoaka. Tsy hanangom-pahefana sy enti-mananam-Panjankana intsony amin’izay izay Filoha lany eo, fa ho sarotiny amin’ny azy koa ny Olomboafidy hafa, ka ho arofanina ho an’ny Fahefana mpanatanteraka.
  • Hametraka fahatokisana sy enti-manana ho an’ireo tompon’andraikitra isam-paritra hialàna amin’ny rafitra mifantoka sy mifototra be loatra amin’ny renivohitra sy ny tanan-dehibe amin’ny ankapobeny. Tsy ho tompomenakely intsony izy ireo fa ho tompon’andraikitra feno manoloana ny vahoaka.

Miezaka amin’ny fandresen-dahatra ny Fiaraha-monina Malagasy, ny antoko politika, ny mpandraharaha, ny mpikambana ao amin’ny Apogenniies ary manaraka akaiky an’izany ireo mpiara miobon’antoka. Ary am-panetren-tena tanteraka no anaovana izany.

S’abonner
Notification pour
guest
0 Commentaires
Commentaires en ligne
Afficher tous les commentaires

Plus
d'articles