logo-crop
Tsy lahatra ny fahantrana ary tsy anjara ny fahalovana

Date

Sambatra Ambohimanga manana an’i Fidasiana kianja filalaovana

Fidasiana eo ihany fa ao koa Ambatomiantendro fitazatazanana ny lavitra

Azafady miserana tompoko ary miala tsiny sahady noho ireo madilana tsy maintsy hotentenana.

Arahaba tovonan-drary no atolotra ny mpamaky rehetra.

Tsy lahatra ny fahantrana ary tsy anjara ny fahalovana.

Hatreto anefa tsy mbola nahitana vaha-olana mahomby ireo fa firenena vao miha-milentika no hiaraha-mahita. Tsy ny toe-karena ihany no tsy miarina fa mitotongana manaraka azy koa ireo soatoavina sy ny maha-izy azy ny malagasy izay valala voatango, very fanahy mbola velona. Lotaky ny kolikoly ny fiaraha-monina ka madilana mila tentenana ny fihavanana. Very hasina ny tanindrazana.

Hatreto dia noheverina fa hisy Andrianampoinimerina hitsanga-ko velona hanao ny mosary ho fahavalony voalohany ka hanao izay hahavoky ny vahoaka. Ny hany azo antoka aloha dia ireo mpitondra nifandimby no samy voky.

Tsy vaha-olana ny hanantena Andrianampoinimerina hitsanga-ko velona fa tena efa lasa-ko razana izy. Ary izay indrindra no maha-tanindrazana ity tanintsika ity. Tsy vaha-olana ny fanantenana fa hisy olon-tokana hitondra fanavotana fa ny olon-tokana omena fahefana tsy ilaozan’izay hanapatra izany ary tsy afa-belan’ny fakam-panahin’ny jadona (Ubris). Izany no maha-rangory fototry ny afo ny fomba fifidianana filoham-pirenena eto amintsika izay nadika an-kitsy rano  tamin’ny napetrak’i Jeneraly de Gaulle tany Frantsa tamin’ny 1962 ka nataon’ny filoha Philibert Tsiranana lalàna tsotra teto amin’ny firenena iny taona iny ihany. Io ilay fifidianana lazain’ny teny baiko, ary tena baiko hoe : « élections présidentielles au suffrage universel par scrutin uninominal majoritaire à deux tours ».

Raha ny hiram-pirenena no henoina dia maniry  « hiadana sy ho finaritra, e sambatra tokoa » isika. Iza avy ary ankehitriny maneran-tany ireo firenena maha-sambatra ny mponina ao aminy ka mety hatao ohatra azo tahafina ? Toa izao ny filaharany tamin’ny 2023 : Finland, Danemark, Island, Israël, Pays-Bas, Suède, Norvège, Suisse, Luxembourg, Nouvelle-Zélande. Inona no tsikaritra amin’ireo ? Demokrasia mandroso ireo.  Tsy olo-malaza na te-ho deraina ny filohany fa olona manatanteraka am-pahatsorana sy an-kitsi-po ny asa sy andraikitra napetraky ny vahoaka aminy.  Satria voafehiny ny fahalalana sy hairaha hanatanterahana izany. Misy ministra  amin’ireo firenena ireo mandeha bisikileta mandeha miasa.  Ary iray amin’ireo ihany no mbola mampiasa ilay fomba fifidianana filoham-pirenena voalaza etsy ambony. Maro no mbola azo fakafakaina amin’ireo fa ataontsika zokin’ny ao afara, eo am-pamakiana ny boky nosoratan’i Max Weber ohatra : « Die Protestantische Ethik und deir Geist Des Kapitalismus ». Isika malagasy anefa tsy natao hanarak’efa fotsiny fa mahita ireo dia te hanandratra ambom-po arak’ilay hoe : tsy natao  hitsiriritra fa natao ho tsiriritina tahaka ny taloha.

Koa maromaro izahay no nifanatona tao anaty taona maro izao, nikaon-doha, nifanakalo hevitra, nifampizara traikefa. Tamin’ny Oktôbra 2018 izahay dia efa nampaneno feon-dakolosy raha nikarakara iny « Conférence Souveraine » tany Nanisana ka nifarana tamin’ny fifanarahan’ny ankamaroan’ireo nilatsaka ho fidina tany amin’ny CCI Ivato iny. Tamin’io dia nolazaina mazava fa tsy maintsy diovina ny kianja hilalaovana alohan’ny hidirana fifidianana, mba hisian’ny fifaninanana tsy azo kianinina, marina ary voafehy ka tsy hiteraka tsiny . Ny tsiny anefa tsy misy fa ny atao no miverina. Roso ihany  ireo nihevi-tena fa handresy satria efa nanomana izay ilaina amin’izany. Io hiaraha-mahita io ny vokany. Rano raraka ka tsy azo hiverenana intsony.

Fa ny amin’ity kosa raha mbola handany vola tsy toko tsy forohana hanao fampielezan-kevitra nefa ny vahoaka maty noana, raha mbola sady ho mpilalao an-kianja no mpikarakara, mpikirakira sy mpitsara ny lalao sady mametraka ny fitsipi-dalao, raha toa mbola hikiry biby ihany hanantanteraka fifidianana tsy manjary sy feno lesoka dieny aty am-boalohany , na ny mpamatsy vola aza milaza hoe : aoka itsy, alamino , atsarao aloha vao mangataka fanampiana.

Koa tao anaty volana maro izay, ny sasany aman-taonany, dia natoninay ireo filoham-pirenena teo aloha mbola velona sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, natoninay ireo antoko pôlitika efa nananana filoha nitondra firenena, natoninay koa ireo antoko heverina fa manan-danja na mbola tsy nitondra aza, natoninay ny fiangonana sy ny fikambanana ara-drazana fa raiamandreny ireo, natoninay ny fiaraha-monim-pirenena fa ireo mandinika ny pôlitika izany hoe ny fandrindrana ny fiaraha-monina, natoninay ny miaramila sy mpitandro filaminana, natoninay ny mpandraharaha, natoninay hatramin’ireo misehatra amin’ny kolotsaina, ireo mpanakanto. Natoninay ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombin’antoka amin’ny fandrosoan’i Madagasikara. Ary tato ho ato natoninay ny filoham-pirenena ankehitriny sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky.

Samy nifanakalo taminay ireo ary nisy nanome sosokevitra fanatsarana, izay no santatr’ilay ataonay hoe Hinam-pirenena na « Entente Nationale » ka tonga amin’izao tolotra vaha-olana aroso izao : tsy atao peta-toko ny fifidianana satria ain’ny firenena sady antoky ny hoaviny  fa tsy maintsy omena fitondrana evanevana (neutre) mandritra ny fotoana voafetra ny  fanatanterahana azy. Manana andraikitra hamerina amin’ny laoniny (résilience) ny fototry ny fiainam-pirenena sy ny fakan’ny fiaraha-monina izany fitondrana izany manomboka amin’ny ady amin’ny mosary. Manana tanjona iray izy ohatra dia ny tsy maintsy hihinanan’ny zaza sy ankizy rehetra manerana ny nosy fara-faharatsiny sakafo indray mandeha ao anaty andro iray.

« GENIIES na hoe Gouvernement d’Entente Nationale Intermédiaire pour les Institutions et les Elections Stables, sincères et sécurisées » no anarana entin’izany fitondrana izany. Amin’ny teny malagasy izy dia : « Endrim-panjakana manelanelana, Hinam-pirenena mialo ».  Hitondra fanovàna eo amin’ny fifidianana io Endrim-panjakana io satria ho Fifidianana Mirohy ( Elections Liées) no fitsipika vaovao. Miaraka fidina ny solombavam-bahoaka sy izay ho filoham-pirenena ka tsy misy afaka milatsaka ho filoham-pirenena raha tsy manana kandidà solombavam-bahoaka isaky ny fizaram-paritany (circonscription),  ary tsy misy kandidà ho solom-bavam-bahoaka afaka milatsaka raha tsy ao anaty lisitra sady misy kandidà isaky ny fizaram-paritany no misy kandidà ho filoham-pirenena iray.  Ary etsy anie : tsy misy mahazo milatsaka ho fidina ireo rehetra mandrafitra ny GENIIES. Izay ilay evanevana (neutre).

Torak’izany koa dia endriky ny fialàna amin’ny fanivona na fitsinjaram-pahefana hoy ny ankehitriny (décentralisation) sahady io fifidianana vaovao karakaraina io ka isaky ny fizaram-paritany no asiana Rantsam-pitsarana ny fandraharahana (Tribunal administratif ) manisa ny vato sy manambara ny valim-pifidianana . Ny vato azon’ny kandidà filoham-pirenenana izany dia adisanin’ny vato azon’ny kandidà solombavam-bahoaka niray lisitra taminy.

Mbola maro ny hevitra mety ho zaraina fa raha lava ny ahitra tsy hita Rasoa, raha lava ny teny very ny soa. Hajanona eo aloha ary mbola hitohy ny fanazavana.

Mankasitraka ireo namaky hatramin’ny farany ary manantitra ny firariantsoa hoan’ny rehetra indrindra ny ambanilanitra tsy vaky volo miandrandra fiadanana, fahafinaretana sy fahasambarana.

S’abonner
Notification pour
guest
1 Commentaire
Le plus ancien
Le plus récent
Commentaires en ligne
Afficher tous les commentaires
Manu
10 mois il y a

Mety amin’ny saiko sy ny eritreritro.

Plus
d'articles