logo-crop
Mbola Tetezamita indray ve ilay antsoina hoe GENIE ?

Date

Miteraka resabe ankehitriny ilay drafitrasa mitondra ny anarana hoe GENIE.
Nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo dia efa misy fototra iorenana na Charte de Transition d’Entente Nationale (TEN) nanomboka niparitaka eran’ny tambazotra sosialy izay mitono tena ho rafitry ny GENIE ary nampitsangana mpanao politika sy mpamakafaka ny fiainam-pirenena sasany. Efa nandalo fotoana ana tetezamita maromaro ihany ny firenena nanomboka tamin’ny 1972 ary ny farany tena nanamarika ny sain’ny vahoaka dia ilay tamin’ny 2009 izay nihitatra hatramin’ny 2013 ary niteraka olana be dia be.
Maro ireo manangam-peo fa efa leo an’izany tetezamita izany ny vahoaka satria fanamparam-pahefana no betsaka nandritry ireny fotoan’andro ireny ary ny fizaran-tseza teo amin’ireo mpisehatra politika sy ny fanararaotana nanaovana aferafera sy trafika no nirongatra ka voa maika nampikatso ny firenena.
Ka mbola Tetezamita tsy miteny ny anarany fotsiny ve ilay GENIE misy manomboka mivohy ankehitriny? Hatramin’izay dia nandalo tetezamita foana ny firenena rehefa nisy fanonganam-panjakana na tsy fanekena ny vokam-pifidianana. Nanomboka tamin’ny 1991 dia nateraky ny tsy fanekena ny valin’ny fifidianana foana no niteraka krizy politika na adiady teo amina mpitondra politika nifanohitra no niafara tamina tetezamita.
Mananontanina indray izao ny krizy politika vaovao amin’izao ankatoky ny fifidianana Filoham-pirenena ho avy izao satria efa hita sy voaporofo fa tsy afaka atokisana fa mitanila ireo andrim-panjakana miandraikitra ny fikarakarana sy ny fanaraha-maso ny fifidianana toa ny CENI sy ny HCC. Rehefa nikasa hanova sy hanatsara fitsipiny samihafa tao anatin’io lalam-pifidianana io moa ny fitondrana Rajaonarimampinina tamin’ny fotoan’androny dia nomelohana sy nikianina ary nolazaina fa nikasa hitondra fanovana ho an’ny tombotsoany manokana. Rehefa tonga kanefa ny fifidianana tamin’ny taona 2018, nikoan-doha teny Nanisana ary niara-niaiky ihany ireo kandida rehetra nilatsaka ho fidiana fa misy fitsipika maro tsy mitombina ary tokony ovaina ao anatin’ny lalam-pifidianana ary misy ahiana hiteraka savorovoro hatrany amin’ny lisi-pifidianana satria efa nandeha ny resaka momba ny fisiana anarana miverimberina sy mpifidy tsy voamarina. Teo no niainga ny resaka fa tokony misy zavatra hatsaraina aloha na midika izany fa mila hahemotra ny fifidianana. Nanapa-kevitra ihany moa avy eo ireo kandida vaventy tamin’izany fotoana ary samy nihevitra ny handresy ka aleo handroso ihany mankany amin’ny fifidianana.
Na teo aza ireo lesoka nitondra fitarainana maro izay na azo noraisina fa tsy mitombona na nosontomina no niafarany hisorohana fidirana tanaty krizy politika vaovao izay mety nandrava izay efa voaharina teo anelanelan’ny taona 2014 sy 2018, dia tsy misy tsy afaka mandà fa mihatra mandrak’ity androany ny savorovoro nateraky ny vokam-pifidianana ary mifandray mivantana amin’io lalam-pifidianana io. Rehefa jerena akaiky ny zava-misy dia hita fa mbola feno lesoka ny fikarakarana ny fifidianana manaraka, ary hafa tsy ny vola izay tsy ampy hanomanana sy hanatanterahana antsakany sy andaviny azy io, dia mbola maro ireo fepetra tsy feno hafahana manatanteraka izany araky ny fenitra sy anatin’ny fahatokisana sy ny mangarahara. Na ireo mpanao politika, na ireo avy ao amin’ny fiarahamonim-pirenena hatramin’ireo raimandreny ara-panahy ao amin’ny FFKM, na ireo mpiara miombon’antoka dia miray hiana sy mitovy hevitra daholo fa tsy feno ny fepetra hafahana miatrika fifidianana ho eken’ny rehetra.
Mba hisorohana ny krizy vaovao mety haterak’izany, dia misy olom-pirenena avy eto an-toerana niaraka tamina Malagasy sasany mila ravinahitra na avy amin’ny diaspora izay niara-niasa niketrika sy namolavola tolotra vahaolana maharitra ho an’ny Firenena izay niteraka ilay drafitr’asa antsoina hoe GENIE (Gouvernement d’Entente Nationale Intermédiaire pour les Elections) na Governemanta manelanelana hikarakara ny fifidianana ary mibanjina amin’ny teny nierahana na fifanarahana iombonana.
Ny GENIE moa izany dia tsy misy itovizany amina Tetezamita araky ny efa fantatra sy nisy hatrizay satria tsy natao na hanonganana na vokatra fanonganam-panjakana na teraky ny tsy fanekena valim-pifidianana. Ny GENIE dia vahaolana hisorohana krizy mifandray amin’ny fifidianana ho avy, izay mananontanina ary voa maika handetika ny firenena izay efa mandalo krizy ara-tsosialy sy ekonomika mafy. Ny fametrahana rafitra vaovao izany hoe rafim-pifidianana vaovao izay ho eken’ny maro, izay ho marina sy rariny ary hampitovy lenta ireo rehetra hilatsaka ho fidiana no anton’asa hapetraka amin’ny GENIE.
Ny GENIE dia Governemanta tsy mitanila, ary ireo mpikambana rehetra ao dia tsy hisy afaka hilatsaka ho fidiana manaraka izay ho karakarainy. Ireo andrim-panjakana misy ireo olom-boafidy rehetra dia tsy misy miova na ho soloina, ho fanajana ny sata demokratika sy tsy hanitsakitsahana indray ny Lalam-panorenana. Tsy misy izany andrim-panjakana toa ny CT na CST na CES toa ny tamin’ny tetezamita teo aloha. Tsy misy koa torak’izany ny fizaran-tseza eo amin’ireo mpisehatra rehetra na antoko na hafa satria teny nierahana na fifanarahana iombonana (Entente Nationale) no hibanjinin’ny GENIE fa tsy fiombonam-pirenena na Union Nationale ka tsy hisy intsony ny fizarana ministera na andrim-panjakana, izany koa mba hitandrovana hatrany ilay tsy fitanilana sy fanararaotana. Ny tombontsoam-pirenena sy iombonana no laharam-pahamehana fa tsy olona na vondron’olona na antoko.
Diso ary tsy misy hifandraisany noho izany ireny fanovozan-kevitra toy ny Charte de la Transition d’Entente Nationale (TEN) ireny satria tsy hafa fa rafitry ny tetezamita izay nampiharina teo aloha ary natao hamitahana ny vahoaka sy ny mpanao politika fa mody nampidirana fotsiny ny fiteny Entente Nationale.
Na hiainga amina fifanarahana ara-politika aza ny fanekena sy fametrahana ny vahaolana GENIE, dia mbola hajaina hatrany ny safidim-bahoaka sy ny olom-boafidy fototry ny demokrasia sy ny repoblika. Hanadio sy hanatsara ny sehatry ny fifidianana ary hametraka ireo rafitra vaovao mifandray amin’izany no tanjona, miaraka amina fototra maharitra hametrahana fitsinjaram-pahefana lalina izay sady hanatsara sy hanamora ny fitondrana ny raharaham-panjakana, no mamaly ihany koa ny hetahetan’ireo faritra manerana ny nosy hafahan’izy ireo handray anjara feno amin’ny fandraisana andraikitra sy ny fampandrosoana avy any ifotony ny firenena.
Chef de Cabinet du Président de l’APOGENIE (Alliance de préfiguration de l’organisation d’un Gouvernement d’entente nationale pour les élections) à Madagascar.
S’abonner
Notification pour
guest
1 Commentaire
Le plus ancien
Le plus récent
Commentaires en ligne
Afficher tous les commentaires
jentilisa
10 mois il y a

Raha ny fahazoako ny resaka eto dia ny eo amin’ny mpikambana ny governemanta no tokony na misy fanovana na miova daholo. Ahoana ny amin’ireo minisitera miantoka ny fiandrianam-pirenena? Ny leson’ny tamin’ny taona 2018 no nahitana fa nahazo vahana fatratra izay mitazona ny praiminisitra sy ny minisiteran’ny atitany. Ahoana ny amin’io toe-javatra io?

Plus
d'articles