logo-crop
Fandaminana vaovao mizotra makany amin’ny fitoniana lovainjafy ny « geniies »

Date

Mila resahina sy tsiahivina amin’ny olom-pirenena indray ve ny olana sedrain’ny firenena amin’ny lafiny ekonomia sy sosialy. Ireo tondro ( indicateurs ) samihafa dia manamafy fa latsaka ankaterena tokoa i Madagasikara. Misongadina manokana amin’ireny ny tahan’ny tsy fananana asa, ny tahan’ny fahantrana, ny tahan’ny sondrombidim-piainana, ny tsy fandriam-pahalemana ary ny kolikoly mihoampampana. Ireo rehetra notanisaina ireo dia tranga iainan’ny fiaraha-monina Malagasy isan’andro isan’andro avokoa izay tsy ahitan’ny mpitantana vahaolana. Manginy fotsiny ny delestazy lavareny ka betsaka amin’ny fiharian-karena isan-tsokajiny no potika, izay mitarika fahavoazana ara-toekarena lehibe ankehitriny.
Fifangaroan’ny olana ara-pitantanana sy ny tsy fisian’ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka entina sy ny mpitondra no voka-dratsin’izany.
Araka ireo rehetra ireo, dia mipetraka ny fanontaniana : mbola ho avotra ihany ve i Madagasikara ? Mbola misy antenaina ve ny ampitson’ny vahoaka Malagasy sa tsia ?
Manampy trotraka ny olana nambara ery ambony ny ho avy mampanahy amin’ny fifidianana manaraka eo. Ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fifidianana kaominaly no ambaran’ny lalàna ho tokony atao amin’ity taona 2023 ity saingy mbola manjavozavo izany eo amin’ny fanatanterahana azy ireo. Hiainana isan’andro ihany koa ny olana amin’ny fanomanana rehetra izay tsapa ho mikorontana sy tsy ampy fandrindrana amin’ny alalan’ny CENI. Misongadina amin’izany ny olana ara-bola, ara-pitaovana hatramin’ny fanapahan-kevitra raisin’io vaomieram-pirenena io izay tsy ananany fahaleovantena tanteraka akory. Tsy mahatoky ny rafitra miadidy ny fifidianana ( CENI sy HCC ) koa ny ankamaroan’ny mpisehatra politika eny hatramin’ny vondrona iraisam-pirenena ( fanamarihana nataon’ny vondrona erôpeana ) sy fiarahamonina sivily nohon’ny fahatsapana fironana sy fampifangaroana andraikitra.
Ankilany, zary lasa fifanandrinana miendrika fifampihantsiana sahady ny fidinana an-kianja etsy sy eroa ( vanim-potoana mialohan’ny fifidianana ) ka atahorana mafy dia mafy ny hisian’ny krizy ara-pifidianana raha tsy mitandrina isika. Mitazam-potsiny manoloana izany loza manambana izany anefa ireo tokony hijoro handray andraikitra hisoroka mialoha.
Sarotra ny hifehy ny raharaha raha toa ka mbola hiampy krizy politika mafibe indray izao krizy ara-toekarena sy sosialy iainan-dramalagasy izao.
Vahaolana avy hatrany no aroso fa ny mamaha krizy mialoha ( avant ) no idealy sy tsara indrindra fa tsy ny ao aoriana ( après ). Antony, handrosoana ny GENIIES ho fandaminana vaovao hisorohana izay trangan-javatra hafa ampoizina hiseho eto amin’ny firenena izay ka mety hitarika fahavoazana sy vesatra lehibe ho saro-bahana indray.
Tsy fitadiavan-tseza ny GENIIES. Tsy fizaran-tseza ihany koa na fanilihana ny hafa amin’ny sezany fa fikarohana izay mahasoa ny tanindrazana amin’ny hevitra voadinika sy tsy mitanila ho amin’ny FANDAMINANA VAOVAO MITONDRA MAKANY AMIN’NY FITONIANA LOVAINJAFY.
S’abonner
Notification pour
guest
0 Commentaires
Le plus ancien
Le plus récent
Commentaires en ligne
Afficher tous les commentaires

Plus
d'articles